🔷 Notanterahina ny tolakandron’ny Sabotsy 25 Jolay 2026 ny lanonana fankalazana ny faha-99 taonan’ny fananganana ny Tafika Fanafahana ny Vahoaka Sinoa sy ny faha-90 taonan’ny fahombiazan’ny Tafika Mena nandritra ny Diabe Lavitra.
©️ Ny Masoivohon ’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina eto Madagasikara, Atoa JI PING, no nitarika izany lanonana izany.
🤝 Nanome voninahitra ny lanonana ny Mpanolotsaina Avo eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, Atoa Kolonely ANDRIAMIARISOA Gervais, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ary ny solontenan’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, dia ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Jean Victor, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony maro avy amin’ireo andrim-panjakana sy ministera samihafa.
🌍 Naneho ny fifandraisana tsara sy ny fiaraha-miasa matanjaka misy eo amin’i Madagasikara sy ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina ity lanonana ity, indrindra eo amin’ny sehatry ny fiarovana, ny filaminana ary ny fampandrosoana sy ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny firenena roa tonta.

1927–2026 — FANKALAZANA NY FAHA-99 TAONAN’NY FANANGANANA NY TAFIKA FANAFAHANA NY VAHOAKA SINOA SY NY FAHA-90 TAONAN’NY FAHOMBIAZAN’NY TAFIKA MENA TAMIN’NY DIABE LAVITRA

Vous pourrez aussi aimer