👉 Ady amin’ny asan-jiolahy sy fametrahana fandriam-pahalemana maharitra
👮♂️ Taorian’ny fanadihadiana sy fikarohana nataon’ny Polisimpirenena momba ny raharaha vaky trano sy halatra nitranga tao Mahazina Atsimo, Antsirabe, ny 22 Jolay 2026, dia voasambotra ireo olona efatra voasaringotra tamin’izany.
🔃 Entana halatra maro be no tratra tao amin’izy ireo ary fantatra ihany koa fa mpameri-keloka ny iray amin’ireo voasambotra.
⚖️ Naiditra am-ponja vonjimaika izy efatra ireto taorian’ny fanolorana azy ireo teny anivon’ny Fampanoavana.
🔷 Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena ho fiantohana ny filaminana sy ny fiarovana ny fananan’ny vahoaka. Manentana ny rehetra hatrany mba ho sahy hitoroka ireo mpanao ratsy.