đź”· Nanomboka ny talata 28 Jolay 2026 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny atrik’asa lehibe karakarain’ny BIANCO sy ny OIF, izay haharitra telo andro momba ny ady amin’ny kolikoly ka ireo tompon’andraikitra ambony sy mpampiofana amin’ireo sekoly manofana ny Hery Fiarovana sy Filaminana no misitraka izany.
📍Ny tanjon’ity atrik’asa ity dia ny hamolavolĂ na sy hanatsarĂ na ny taranja momba ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanamafisana ny fahitsiana eo am-panatanterahana ny asa ; izay ampianarina eny amin’ireo sekoly mpanofana ny Hery Fiarovana sy Filaminana (FDS) ao Antsirabe sy ny manodidina, dia ny ENIAP na ny sekoly manofana ho Inspecteur sy Agent de Police, ny Akademia Miaramila ary ny Sekoly manofana ho Zandary.
🌟Nitarika ny lanonana fanokafana ny Tale Jeneralin’ny BIANCO sy ny Solontena Ambony avy amin’ny OIF eto Madagasikara , niaraka tamin’ireo manamboninahitra avy amin’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana.
🙌 Nisolo tenan’ny Polisimpirenena tamin’izany ny Talen’ny ENIAP sy ny Talen’ny Ady amin’ny Kolikoly ary ny fampiroboroboana ny fahitsiana eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.

ADY AMIN’NY KOLIKOLY : TONTOSAINA AO ANTSIRABE NY ATRIK’ASA MOMBA NY FAMPIOFANANA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY HO AN’IREO SEKOLY MPANOFANA NY HERY FIAROVANA SY FILAMINANA

Vous pourrez aussi aimer