🚭 Ady amin’ny fidorohana sy fiparitahan’ny zava-mahadomelina
🎯 Nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny Polisy avy ao Imerintsiatosika, ny antoandron’ny Alarobia 09 Septambra 2026, fa misy olona mivarotra rongony, ao amin’ny Fokontany Miakadaza.
🚔Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo Polisy ka nahatratra lehilahy miisa telo, izay mbola nahitana rongony iray harona plastika teny am-pelatanan’izy ireo.
👮‍♂️ Etsy ankilany, teo amin’ny sakana nataon’ ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Fitaleavam-paritriny ny filaminambahoaka Atsimo Antsinanana ny 09 septambra 2026 tao Anosivelo Farafabgaba dia lehilahy iray hafa ihany koa no nahatrarana rongony tanaty fonosana nandritra ny fisavana natao taminy rehefa mampiseho fihetsika mampiahiahy ity farany.
🗡️ Mbola nahitana antsy iray ihany koa teny amin’ ity lehilahy iray ity.
⚖️ Nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy ireo olona voasambotra, ka hanaovana fanadihadiana momba ireo raharaha ireo.
🤝 Manentana hatrany ny rehetra ny Polisimpirenena mba hiara-hientana amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, amin’ny alalan’ny fampahafantarana haingana ny manampahefana rehefa misy tranga mampiahiahy na olona ahiahiana.

IMERINTSIATOSIKA / ANOSIVELO FARAFANGANA : LEHILAHY EFATRA NAHATRATRARANA RONGONY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer