đŸ‘źâ€â™‚ïžđŸŽ“ Lanonana manan-danja telo sosona no notanterahina tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Inspecteurs sy Agents de Police « ENIAP » Antsirabe ny Zoma faha 18 Septembra 2026.
☑ Natomboka tamin’ ny fametrahana eo ambany faneva ireo mpianatra ho Agents de Police andiany faha 31, izay hanomboka ny fampianarana amin’ny maha Polisimpirenena manomboka izao; nampisalorana ny anarana hoe « VANONA »: VolontĂ© AssiduitĂ© Norme ObjectivitĂ© NeutralitĂ© Altruisme.
👉 Miisa 481 izy ireo no nahavita ny fiofanana fototra nandritra ny 45 andro nahatontosa ny dingana voalohany amin’ ny fiofanana hatramin’ny farany.
đŸ‡Č🇬 Manohy izany, tontosa androany ihany koa ny lanonana ara-miaramila manamarika ny fandraisana fibaikona teo amin’ ireo tale miisa telo; dia ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Vakinankaratra, ny Commissaire Divisionnaire de Police TALILY Damy, ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Bongolava ny Commissaire Divisionnaire de Police, RAZAFIARISON Elutin ary ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka ao Itasy, ny Commissaire Principal de Police, RADANIELISON Andry Ny Aina .
🏠 Manaraka izany, nisy ihany koa ny fitokanana ny toerana fialamboly sy fanaovana lanonana ao amin’ny sekoly, « Mess Maevarano », izay natsaraina sy nohavaozina tamin’ny alalan’ny fanampian’ireo mpiara-miombon’antoka.
âœ…đŸŽ–ïž Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral de Police ERICK MICHEL, notronin’ny solontena mpikambana ao amin’ny Governemanta, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Ramatoa Alice N’DIAYE sy ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Ramatoa RAVAONIRINA Nathalie Sebastienne ary ny Prefen’Antsirabe Ramatoa RANDRIANAIVO Voahangindraibe Ravakiniaina; Nanome voninahitra izao lanonana izao ihany koa ireo olom-boafidy sy oloman-kanja maro sivily sy miaramila ary ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny hery fiarovana sy Filaminana tonga teto an-toerana.

SEKOLIM-PIRENENA MANOFANA HO INSPECTEURS SY AGENTS DE POLICE (ENIAP) ANTSIRABE : NAPETRAKA TEO AMBANY FANEVA NY ANDIANY « VANONA », TONTOSA IHANY KOA NY LANONANA ARA-MIARAMILA FANDRAISANA FIBAIKONA TEO AMIN’ IREO TALE MIISA 03 : NY TALEM-PARITRY FILAMINAMBAHOAKA VAKINAKARATRA, ITASY ARY BONGOLAVA

Vous pourrez aussi aimer