👉 Ady amin’ny heloka bevava sy fanenjehana ireo nahavanon-doza
👮‍♂️ Naharay fitoriana momba ny fahaverezana tovolahy roa ny Polisy ny 13 Septambra 2026. Niala tao an-tranony izy ireo ny 11 Septambra 2026 ary rehafa natao ny fikarohana dia hita faty tao amin’ny Reniranon’Ikopa, teny Tanjombato ny 15 sy 16 Septambra 2026.
🔎 Raha ny fanadihadiana dia Fantatra fa ny disadisa nateraky ny hasarotam-piaro diso tafahoatra no antony namonoana azy roalahy. Olon-tiany sy anadahin’ilay vehivavy iray niaraka tamin’izy ireo ny alin’ny 11 septambra 2026 moa ireo nahavanon-doza ireo.
đźš” Noho ny fanadihadiana nataon’ny Polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava, sakelika fahatelo (BC3), dia voasambotra tany Toamasina, izy roa lahy nahavanon-doza ny Sabotsy 19 Septambra 2026 rehefa nafenin’ny fianakaviany sy nalefany nitsoaka. Nandritra ny fakana am-bava dia niaiky izy ireo fa namono azy roalahy, ary hita tamin’ny horonantsary avy amin’ny fakantsary fanaraha-maso (camĂ©ra de surveillance) izy ireo nifampitarika.
⚖️ Voasambotra avokoa ireo olona niray tsikombakomba sy nanafina azy roalahy ireo ka natolotra ny fampanohavana ny Alarobia 23 septambra 2026 ary nidoboka am-ponja any Tsiafahy ny iray (01) ary eny Antanimora ny enina (06) amin’izy ireo

VOASAMBOTRY NY POLISY IREO OLONA VOAROHIROHY TAMIN’NY RAHARAHA NAHAFATESANA LEHILAHY ROA HITA FATY TAO AMIN’NY RANON’IKOPA TENY TANJOMBATO

Vous pourrez aussi aimer