– Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra
– Naharay loharanom-baovao ny Polisimpirenena fa misy olona nampiditra « Bajaj » halatra tao Ambondromamy ny 25 septambra 2026 teo.
– Nanao fanadihadina ireo Polisy miasa ao Ambondromany ary rehefa voamarina izany dia napetraka ny paikady hisamborana ilay olon-dratsy ary tontosa izany ny 26 Septambra 2026.
– Nentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny Polisy ity lehilahy ity ary niaiky ny heloka nataony.
– Natolotra ny Fampanoavana izy ny 28 Septambra 2026, ary voatazona ao amin’ny Fonjan’i Maevatanana.
– Izao vokatra izao no azo dia noho ny fahatokisan’ny vahoaka ny Polisimpirenena, ka tonga amin’ny fanomezam-baovao ahafahana misoroka sy miady amin’ny asan-jiolahy.
LEHILAHY MPANGALATRA « BAJAJ » VOASAMBOTRA, VOKATRY NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY POLISIMPIRENENA SY NY OLON-TSOTRA
