– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Nanao fidinana ifotony tao amin’ny tsenan’i Scama, Toliara, ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany Voalohany (KFB1) Betania ny 22 Oktobra 2026, tamin’ny 09 ora maraina. Olona 14 no voasambotra, ka zaza tsy ampy taona ny 10 tamin’izy ireo, tratra mirenireny sy miloka (rami, ludo sy karazan-doka maro) tao an-tsena.
– Nandritra ny hetsika, dia nisy olona iray tratra nangaro-paosy sy naka finday Izay tsy mazava ny fiaviany. Ity farany, Natolotra ny Fampanoavana ny 26 oktobra 2026 ary voatazona am-ponja.
– Nantsoina ny Ray aman-dRenin’ireo zaza tsy ampy taona ary nomena fampitandremana hentitra mba hanara-maso ny zanany sy hisoroka azy ireo tsy hirenireny ao an-tsena. Hanokafana fanadihadiana kosa ilay mpangarom-paosy ary hatolotra ny fitsarana.
