✅ Taorian’ny lanonana ara-miaramila, fandraisam-pibaikoana notanterahina tao Toamasina ny 21 Novambra 2026, nisy ny fivoariana notarihin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL izay niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tany an-toerana, notronin’ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena Fidèle RAZARA Pierre izay misahana ny Faritra Atsinanana, ny Prefen’ny Toamasina, ny lehiben’ny faritra, ny avy ao amin’ny fitsarana ary ireo FDS.
📝 Nifantoka tamin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana, indrindra ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny fanatanterahana ny fandaharanasan’ny Governemanta ny dinika.
🚔 Nasongadina fa tsy maintsy mipaka eny anivon’ny vahoaka ny ezaka atao amin’ny fitandroana ny filaminana, satria fototra iray lehibe ahafahana manatratra ny fampandrosoana ny firenena ny fandriam-pahalemana.
⚙️ Tanjona iraisana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fandrindrana ny asa eo amin’ireo tompon’andraikitra rehetra, ho fampanjakana ny filaminana sy fampandrosoana maharitra.
TOAMASINA : FIHAONANA NIRESAHANA MOMBA NY FANDRIAMPAHALEMANA SY NY FAMPANDROSOANA, NAMPITA NY TORO-MARIKA NOMEN’ANDRIAMATOA PRAIMINISITRA HOAN’IREO MPIKAMBANA AMIN’NY OMC NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA.