🛡️ Ady amin’ny halatra isan-karazany.
📌 Nanararaotra ny tsy nahateo ny tompontrano izy roalahy ireto ka nangalatra ny vola 10.000.000 Ar efa nipirina tsara tao anaty vata fitoeram-bola.
🎯 Ny Sabotsy 21 Novambra rehefa nandeha nivoaka ilay Ramatoa mpampiasa dia niditra tao amin’ny efitrano nisy ny fitoeram-bola izy roalahy.
📌 Tamin’ny 10 ora alina dia nahatsikaritra ilay Ramatoa fa efa nisy nanokatra ilay vata fitoeram-bola. Niezaka nitady ireo roalahy niasa tao aminy izy fa tsy hita intsony ka nampandre ny Polisy avy hatrany.
🚨 Ny Alahady 22 Novambra, tamin’ny 9 ora no tratra teo Andatabo teo amin’ny sakana hataon’ny Polisin’ny FIP izy roalahy. Efa nikasa handositra hoany Sakaraha.
âś… Natolotra ny Polisy ao amin’ny Kaomisaria foibe Toliara izy ireo hatao famotorana alohan’ny hanolorana azy eo anivon’ny fampanoavana.

TOLIARA : LEHILAHY MIISA ROA AVY NANGALATRA VOLA TAMIN’NY MPAMPIASA AZY, VOASAMBOTRY NY POLISIN’NY FIP TEO ANDATABO MIARAKA AMIN’NY VOLA 7.000.000 AR AVY NANGALARINA.

Vous pourrez aussi aimer