Ady amin’ny asan-jiolahy
👮‍♂️ Nahazo loharanom-baovao ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria 67ha ny 24 Novambra fa misy lehilahy mitondra basy no sady hafahafa fihetsika teo amin’ny manodidina toeram-pisotroana iray teo akaikin’ny fiantsonana taxibe 119, 67ha.
🚨 Nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisimpirenena nanamarina izany ary nisambotra ity lehilahy ity.
🎯 Nandritra ny fisavĂ na azy dia nahitĂ na basy poleta iray tsy misy taratasy miaraka, amin’ny bala miisa 6 no hita teny aminy.
📱 Nahitana finday miisa telo, talkie-walkie iray, karapanondrom-pirenena ary badge misoratra amin’ny anaran’olon-kafa ihany koa teny aminy.
📌 Araka ny fanadihadiana dia fanatatra efa nanomboka tamin’ny 10 ora maraina ity lehilahy ity nihaodihaody teny amin’ny manodidina ary maka sary ilay toerana nokasaina hanaovana ny asa ratsiny.
▶️ Aorian’ny famotorana savaranonando hatao aminy dia atolotra ny fampanoavana ity lehilahy ity.
âś… Ankasitrahana hatrany ireo olom-pirenena manome loharanom-baovao ahafahana misoroka ireo asan-jiolahy isan-karazany. Manentana ny rehetra ho mailo hatrany ary hampilaza ny mpitandro ny filaminana avy hatrany raha misy mampiahiahy hahafahana mandray andraikitra tahaka izao.
67 HA : JIOLAHY NIKASA HANAO FANAFIHANA MITAM-PIADIANA TAMINA TOERAM-PISOTROANA VOASAMBOTRY POLISIMPIRENENA
