📝 Nanomboka ny Alatsinainy 06 Jolay 2026 manerana an’i Madagasikara ny fanadinam-panjakana BEPC. Toy ny mahazatra, nirotsaka an-tsehatra ny Polisimpirenena hiantoka ny filaminana sy ny fiarovana mandritra ny fanadinana any amin’ireo toerana hiadidiany. Ifarimbonana miaraka amin’ny rahalahy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny faritra sasany.
👮 Nohamafisina ny fandriam-pahalemana manodidina sy any anatin’ ireo ivontoeram-panadinana, ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ny fitehirizana ireo taratasim-panadinana. Napetraka ihany koa ireo Polisy misahana ny fifamoivoizana mba hanamora ny fivezivezen’ireo mpianatra sy ny mpampianatra ary hisorohana ny fitohanan’ny fiara.
🥛Raha ny androany dia tsy manadino ireo zandry sy zanaka miatrika ny fanadinam-panjakàna eo akaikin’ny foibeny ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ka nahazo ny fanomezana, ody ambava-fo sy tohan’aina ihany koa ireo manao ny fanadinana ao amin’ny LMA.
🤝 Amin’izao fanadinana izao dia mirary fahombiazana ho an’ireo mpianatra rehetra miatrika ny fanadinana BEPC ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.

FANADINANA BEPC 2026 : NOHAMAFISINA NY FILAMINANA SY NY FIAROVANA MANODIDINA IREO IVONTOERAM-PANADINANA

Vous pourrez aussi aimer