👦 Tany Ihosy, zazalahy 17 taona nolazaina fa very no hita ny 07 Jolay 2026, taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisy. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa nandositra an-trano izy noho ny fifamaliana tamin’ny ray aman-dreniny, ary nandany alina irery tao amin’ny hotely. Nirahina nividy fahana izy ny alina ka tamin’izay no nanararaotra tsy niverina intsony.
🚌 Tany Ambositra, zazalahy 5 taona kosa no nentin’olona tsara sitrapo tao amin’ny Kaomisaria rehefa hadinon-dreniny tao amin’ny fiantsonana taorian’ny fijanonan’ny taxi-brousse haka mpandeha. Efa lasa kilometatra maro ilay fiara vao tsaroan’ilay reniny fa tsy teo ny zanany. Efa voakarakara tsara tao amin’ny Polisy ilay zaza.
👧 Tetsy Manakambahiny Maroho, Antananarivo ; zazavavy kely 4 taona hita nitomany irery teny an-dalana no nisy nanatitra tao amin’ny Polisy. Nandritra ny fanadihadiana dia fantatra fa nanaraka ny dadabeany izy ary tsy nisy nahatsikaritra izany ka very lalana. Efa tonga naka azy ny reniny.
👦 Ny alin’ny 07 Jolay 2026, dia hita teo akaikin’ny Pharmacie Ambanidia i Fanomezantsoa, zazalahy 11 taona nolazaina fa very tany Sabotsy Namehana. Olona mivady no nahita sy nitondra azy tany amin’ny Polisy Tsaralalana, ka natolotra ny ray aman-dreniny taorian’izay.
🤝 Ny Polisimpirenena dia mandray ny andraikitra feno manoloana ny zava-misy, mijoro amin’ny fiarovana ny ny mpiray Tanindrazana manoloana ny loza manambana azy ; manentana hatrany ireo raiamandreny sy ny olom-pirenena rehetra ihany koa amin’ny fandraisana andraikitra izay tandrify, indrindra mahakasika ny fitandremana ireo ankizy.
✅ Antsoy ireo laharana an-tariby nozaraina teto amin’ny pejy raha ilaina izany, azo antonina ihany koa ireo Polisy eny an-kianja amin’ny ilàna izany.
ZAZA EFATRA NOLAZAINA FA VERY HITA SOA AMAN-TSARA TAORIAN’NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA HAINGANA NATAON’NY POLISIMPIRENENA SY NY FANAMPIAN’NY OLOM-PIRENENA TSARA SITRAPO
