🛡️ Manoloana ny tranga hala-jaza, fahaverezana olon-dehibe ary vono olona mampiahiahy ; sy ny tebiteby aterak’izany eo amin’ny fiarahamonina, dia manamafy ny fandraisana andraikitra ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana ary ireo andrim-panjakĂ na hafa mety ho voakasika.
Araka izany tafatsangana etsy amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalà na ny Ivom-pibaikoana na ny « Centre Opérationnel de Commandement » (COC), handrindra ny paikady rehetra.
Efa miasa araka izany ity toerana ity ary andro aman’alina no tsy tapaka olona eto.
🤝 Ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, sy ny Prefen’Antananarivo, Andriamatoa VONJY Maminjanahary Andriasy, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana no nitarika ny fametrahana izany foibe izany.
📢 Nandritra izany dia nampitaina ny toromarika hentitra avy amin’ny fitondram-panjakana, ka anisan’izany ny fanomezana valisoa ho an’izay rehetra manome loharanom-baovao marim-pototra ahafahana misoroka na mamantatra ireo mpanao heloka.
🇲🇬 Maneho ny fahavononany hiaro ny aina sy ny fananan’ny olom-pirenena ny fitondram-panjakana.

