– Ny 29 Jona 2026, dia nisy tovovavy 17 taona tsy hita popoka rehefa niala tao an-tranony hihazo ny sekoly tao Morondava, nefa tsy nody intsony. Taorian’izay dia nametraka fitoriana tao amin’ny Polisimpirenena ny rainy, ka natomboka avy hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana.
– Vokatr’izany ezaka izany, dia hita ny Alakamisy 09 Jolay 2026 tamin’ny 08 ora hariva, tao amin’ny Fokontany Avaradrova, Kaominina Ambonivohitra Morondava, ilay tovovavy, niaraka tamina lehilahy 29 taona voalaza fa sakaizany.
-Nandray antso momba ny lehilahy iray ahiahiana ho mpangala-jaza tao amin’ny Fokontany Ambalanomby, Kaominina Ambonivohitra Morondava, ny Polisimpirenena ny 09 Jolay 2026.
– Tonga haingana teny an-toerana izy ireo ka hita fa nifanenjehan’ny fokonolona tokoa ilay tovolahy ary nokasain’izy ireo ho vonoina hatao fitsaram-bahoaka saingy voaaron’ny Polisimpirenena.
– Rehefa natao ny famotorana rehetra dia tovovavy kely mpifankatia taminy no niresaka taminy tamin’io fotoana io saingy tsy mankasitraka izay ny renin’ilay vehivavy ka niapanga azy ho mpangala-jaza.
– Ilay lehilahy kosa dia nanokafana fanadihadiana noho ny fanodikondinana zaza tsy ampy taona.
– Manoloana ny tranga tahaka izao dia entanina hatrany isika hiantso ny mpitandro ny filaminana amin’ny ilàna izany mba hisorohana ny mety ho fahadisoana.
– Ny fitondram-panjakàna amin’ny alalan’ireo mpitandro ny filaminana dia mijoro hiaro ny mpiray Tanindrazana.
