🏛️📱 Nitsidika ny Centre Opérationnel Anti-Enlèvement eny amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna ny harivan’ny Alatsinainy 27 Jolay 2026 ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely ; ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL ; ary ny Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa FANIRISOA Ernaivo.
📹🛡️ Nandritra izany dia nanamafy ny toromarika momba ny fampiasana ireo fitaovana rehetra misy, indrindra ny fakantsary fanaraha-maso eny an-dalambe, ho fikarohana ireo olona very sy ireo mpanao ratsy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.
🤝🇲🇬 Ny fitondram-panjakàna dia mijoro hiaro ny mpiray Tanindrazana hatrany, miantso ny rehetra ho tony ary tsy hisalasala hampilaza ireo mpitandro ny filaminana akaiky na ny tompon’andraikitra raha misy mampiahiahy.
FAHAVEREZANA OLONA : MANARA-MASO TSY TAPAKA NY FEPETRA SY NY TOROMARIKA AO AMIN’NY « CENTRE OPÉRATIONNEL ANTI-ENLÈVEMENT » IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA