Mizotra tsikelikely ny fikarohana izay ataon’ny “Service Central des Affaires Criminelles” na SCAC etsy Anosy mahakasika ny raharaha fakàna an-keriny tera-tany karàna iray teny Antanimena (Kalidas)
Ny 10 aprily 2018 lasa teo tokoa mantsy dia voasambotry ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika voalohany (BC1) tetsy Analakely tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany maraina ny lehilahy iray 33 taona izay fantatra amin’ny anarana hoe « Zo ».
Ity farany moa dia voalaza fa nandray anjara feno tamin’ilay fakàna an-keriny, izany dia taorian’ny famotorana izay natao tamin’ny namany iray hafa izay efa voasambotra mialoha.
Araky ny fantatra, dia ity “Zo” ity dia dia tsy iza fa mpiambina tao amin’ilay toeram-pivarotana “Khalidas” ihany teo aloha, ary nandritra ny fisavàna ny tranony teny Ambohimalaza dia mbola nahatratrarana ny fitaovana sasan-tsasany toy ny “Poignard” sy ny “matraque électrique” ihany koa.
Mitohy hatrany ny fikarohana, ary efa mizotra tsikelikely makàny amin’ny fisamborana an’ireo tompon’antoka rehetra tamin’ity fakàna an-keriny ity ireo mpanao fanadihadiana, ary ho tanterina amitsika eto ihany ny vokatr’izany.
Taorian’ny famotorana izay natao taminy dia natolotra ny Fitsarana ary notanana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ity lehilahy ity.
