– Nandritra ny hetsika fampandriana fahalemana nataon’ny Polisy avy ao amin’ny UIR – Kaomisaria Foibe Mahajanga, nandritra ny faran’ny herinandro, dia olona fito (07) voalaza fa mpanendaka sy tafiditra amin’ny fikambanana mpanao asa ratsy no voasambotra.
– Saika tao Tsararano Ambany avokoa no nahatratrarana azy ireo, izay anisan’ireo faritra mila fanamafisana ny fandriampahalemana ao Mahajanga ary efa hanaovan’ny Polisimpirenena hetsika manokana.
– Nandritra ny fisavàna dia nahitàna fonosana rongony miisa 10 sy fitaovana entina mitsindrona héroïne teny amin’izy ireo, ka nentina tao amin’ny kaomisaria hanaovana fanadihadiana.
– Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisy amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto Mahajanga.
-Ankasitrahana hatrany ireo olon-tsotra manome ny loharanom-baovao.
