👉 Fiarovana ny vahoaka sy ny fananany
🔷 Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Polisimpirenena ao Betroka sy ireo andrimasom-pokonolona ao amin’ny Fokontany Tanakompania, dia hita ny 27 oktobra 2026 tokony ho tamin’ny 6 ora hariva ilay moto iray izay nisy nangalatra ny 25 oktobra lasa teo.
👉 Navelan’ilay mpangalatra teo amoron-dalana ilay moto ary hitan’ireo andrimasom-pokonolona sy ny Polisy.
➡️ Marihina fa an’ny orinasa iray ao an-toerana ilay moto, ary naverina tamin’ny solontenan’io orinasa io rehefa vita ny fanamarinana ireo taratasy rehetra.
👉 Mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena any an-toerana amin’ny fitadiavana ilay Mpangalatra moto ary antsoina izay mety ho manam-baovao mba hampilaza momba izany fa ho tanana tsiambaratelo.

BETROKA: MOTO IRAY VERY NISY NANGALATRA NO TAFAVERIN’NY POLISIMPIRENENA TAMIN’NY TOMPONY

Vous pourrez aussi aimer