🇹🇷 Nankalazaina ny Alakamisy 29 Oktobra 2026, ny faha-103 taona niorenan’ny Repoblikan’i Torkia ka natao tetsy Ambodivona ny lanonana fanamarihana izany.
📌 Ramatoa Masoivohon’i Torkia eto Madagasikara, S.E.M Halime Ebru DEMIRCAN, no nitarika ny fotoana.
🤝 Tonga nanome voninahitra izany ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana, sy ny Minisitry ny Filaminambahoaka sady Ministra mpisolo toerana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, niaraka tamin’ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny Governemanta.
🗣️ Nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny Minisitry ny Filaminambahoaka dia nanamafy ny finiavan’i Madagasikara sy i Torkia hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny angovo, ny fampiasam-bola, ny varotra, ny fanabeazana ary ny fizahantany, mba hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny famoronana asa ho tombontsoan’ny firenena roa tonta.
✅ Nanentana ireo mpandraharaha avy any Turquie Andriamatoa Minisitra mba tsy hisalasala hirotsaka amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara fa betsaka no sehatra azo hanaovana izany

MADAGASIKARA SY TORKIA : FIARAHA-MIASA MIOMPANA AMIN’NY FAMPANDROSOANA ARA-TOEKARENA SY FAMPIROBOROBOANA NY FAMPIASAM-BOLA.

Vous pourrez aussi aimer