🚗 Lehilahy iray nanendaka olona tao anaty fiara Golf 3 simba teo akaikin’ny Shell Tanjombato ny alin’ny 30 Jona 2026 no voasambotry ny UIR avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Tanjombato, ary efa naiditra am-ponja vonjimaika ny 03 Jolay 2026. Mbola misy namany karohina kosa.
đŸ”Ș Ny alin’ny 02 Jolay 2026, tovolahy roa indray no saron’ny Polisy Tanjombato teny Ankady sy Magasin M, ka ny iray tamin’izy ireo dia mpameri-keloka malaza ratsy ary nahitana antsy maranitra teny aminy. Nentina nanaovana famotorana lalina izy irei.
đŸƒâ€â™‚ïž Ny alin’ny 04 Jolay 2026 tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany, mpanendaka roalahy no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny CSP Itaosy teny Ambanilalana Andranonahoatra, nandritra ny fisafoana alina.
🍁 Ny 05 Jolay 2026 tao Andohanimandroseza, lehilahy roa mpidoroka sady mpampiantrano mpifoka rongony no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria CSP2 Ambohijatovo. Nahitana rongony vovony tao anaty harona plastika, ary faikany tapa-gony kely sy fonosana nampiasaina tao amin’ilay trano fifohana teny amin’izy ireo.
📌 Mitohy hatrany ny hetsika sy fisafoana ifotony ataon’ny Polisimpirenena amin’ny fampitsaharana ny asa ratsy sy ho fiarovana ny vahoaka ary ny fananany. Mitaona ny rehetra mba ho mailo hatrany ary miantso tolo-tanana avy amin’ny olom-pirenena mba hitoroka ireo mpanao ratsy amin’ny endriny samihafa.

ANTANANARIVO RENIVOHITRA SY NY MANODIDINA : MITOHY NY HETSIKA IFOTONY ATAON’NY POLISIMPIRENENA HANENJEHANA IREO MPANAO RATSY, JIOLAHY SY MPIDOROKA RONGONY MIISA7 VOASAMBOTRA

Vous pourrez aussi aimer