– Ny zoma 03 Jolay 2026 tamin’ny 08 ora sy 10 minitra alina, taorian’ny fahazoana loharanom-baovao momba ny resaka fakana an-keriny olona iray teo amin’ny manodidina an’i Mangarano, dia nanao hetsika haingana ka nahasamborana lehilahy miisa enina, 22 ka hatramin’ny 33 taona.
– Olona 4 novoasambotra voalohany ary nanoro ireo namany ka nanaovana velam-pandrika ary tratra tsikelikely hatramin’ny Alarobia 8 Jolay 2026. Nandritra ny fisamborana dia nahitana basy poleta, antsy ary vy famatorana tanana (menotte) teny amin’izy ireo ; fanampin’izay ny « planina » sy drafitra mikasika ny toerana nokasaina hanatanterahana ilay fakana an-keriny.
– Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisy mba hamantarana ireo rehetra voakasik’ity raharaha ity.
✅ Mitaona ny rehetra mba ho mailo hatrany ary tsy hisalasala hitoroka raha misy mampiahiahy.

 

TOAMASINA – FAKANA AN-KERINY VOASAKANA, JIOLAHY ENINA VOASAMBOTRA , BASY IRAY AZO.

Vous pourrez aussi aimer