🚨 Nisy zazalahy kely 5 taona voalaza fa very tao amin’ny EPP Plateaux Anjoma, Fianarantsoa ny Talata 08 Septambra 2026 araka ny fantatra dia nentin’ny zokiny tany an-tsekoly izy ny maraina ary noraisin’ny mpampianatra, saingy tsy hita tao an-dakilasy intsony tokony ho tamin’ny 10 ora.
🔎 Raha vao naharay ny fampilazana ny Polisimpirenena, dia nidina ifotony teny Anjoma avy hatrany niara-nikaroka tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza. Nandritra izany fikarohana izany dia nisy vaovao nampitaina fa efa nisy olona nanatitra ilay zaza tany an-tsekoly.
🙏 Hita soa aman-tsara ilay zaza tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany tolakandro. Nentina teny amin’ny Kaomisaria Foibe Ampasambazaha niaraka tamin’ny ray aman-dreniny sy ilay tovovavy nanatitra azy, mba hanohizana ny fanadihadiana, ary afaka nody soa aman-tsara niaraka tamin’ny ray aman-dreniny ilay zaza.
FIANARANTSOA : ZAZALAHY KELY 5 TAONA VERY , HITA SOA AMAN-TSARA TAO AORIAN’NY FIKAROHANA NATAON’NY POLISIMPIRENENA SY NY FIANAKAVINA.
