đźš” Nanatanteraka fisafoana alina ny OMC ny alin’ny Talata 28 hifoha ny Alarobia 29 Jolay 2026, notarihin’ny Prefen’Antananarivo, Andriamatoa ANDRIASY Vonjy Maminjanahary, niaraka tamin’ireo delegasiona maro notarihiny. Nisolotena ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny Commissaire Divisionnaire de Police RAZAFINDAHY Manitra Fleurys, lehiben’ny Kaomisaria Foibe TsaralalĂ na.
🤝 Nandritra ny fisafoana dia nihaona mivantana tamin’ireo Andrimasom-pokonolona sy ireo tompon’andraikitra eny ifotony ny delegasiona. Nankasitraka azy ireo ny tompon’andraikitra noho ny fanoloran-tenany amin’ny fitandroana ny filaminana, ary indrindra amin’ny fanomezam-baovao haingana raha misy tranga mampiahiahy.
🛡️ Nohamafisina tao anatin’izany fa samy manana ny anjara andraikiny ny rehetra amin’ny fitandroana ny filaminana ary tokony hiara-mientana hatrany.
📍 Fokontany maro no notsidihina nandritra ny fisafoana, anisany izany ny teny amin’ny Kaominin’Alasora sy Ambohimanambola, ary koa ny teny Namontana, Ampefiloha Vorondamba, Antohomadinika Vasakaosy ary Andohatapenaka.
ANTANANARIVO RENIVOHITRA SY NY MANODIDINA : MARO IREO ANDRIMASOM-POKONOLONA ISAM-POKONTANY NO MIJORO ARY MIARA-MIASA AKAIKY AMIN’NY MPITANDRO NY FILAMINANA HO FIANTOHANA NY FILAMINAM-BAHOAKA