đźš” Tontosa teo anoloan’ny Kaomisarian’ny Boriboritany faha-2 Ambohijatovo, ny Alarobia 01 Jolay 2026, ny lanonana fanolorana ireo fitaovam-pitaterana nohavaozina sy ireo fitaovana vaovao. Anisan’izany ny moto vaovao, solosaina miaraka amin’ny « imprimante », izay hanamora ny fanatanterahana ny asa sy hanatsarana ny tolotra omena ny vahoaka eo amin’ny sehatry ny filaminana sy fandriam-pahalemana.
đź‘® Nanome voninahitra ny lanonana ny Tale Jeneralin’ ny Polisimpirenena, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, nisolo tena ny Minisitry ny Filaminambahoaka. Teny an-toerana ihany koa Andriamatoa RANDRIANARISOA Stanislas, Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Boriboritany faharoa, Andriamatoa RANDRIAMITSIRY JosĂ©, lehiben’ny Distrika Antananarivo II, ary Andriamatoa RAKOTONIRINA Rijaniaina, Delegen’ny Boriborin-tany Antananarivo II.
đź”§ Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Kaomisaria CSP 02 Ambohijatovo sy ireo mpiara-miombon’antoka no nahafahana nanatsara ny fitaovana ampiasaina sy nahazoana fitaovana vaovao hanamafisana ny asa andavanandro izao.
🏢 Nohavaozina ihany koa ireo biraon’ny Vigie de Police ao Ambolokandrina, Ambohipo, Manakambahiny ary Mandroseza.

KAOMISARIA FILAMINAMBAHOAKA BORIBORITANY FAHAROA, AMBOHIJATOVO : NOHAVAOZINA IREO FITAOVANA SY FOTODRAFITRASA, NAHAZO MOTO SY FITAOVANA VAOVAO

Vous pourrez aussi aimer