đź‘® Polisimpirenena manaiky vahoaka.
âś… Hita soa aman-tsara ny harivan’ny 28 Jolay 2026 ireo zazalahy kely roa izay voalaza fa tsy hita nanomboka ny marainan’ny 27 Jolay 2026 tao Mahabibokely, Mahajanga.
🚨Noho ny fiaraha-miasan’ny olom-pirenena tsara sitrapo no nahitana azy ireo, ka nahafahan’ny Polisy nandray andraikitra avy hatrany.
🎯 Araka ny fanazavana voaray dia nanaraka ireo olona nandeha hamonjy fanompoam-pivavahana teny Tsararano Ambony izy roa lahy. Rehefa voamarina ny mombamomba azy ireo dia nifandray avy hatrany tamin’ny fianakaviany ny Polisy, ka afaka noraisin’ireo havany ireto ankizy.
📢 Manentana hatrany ny rehetra ny Polisimpirenena mba hanamafy ny fanaraha-maso ny ankizy, indrindra amin’ny toerana be olona sy mandritra ny fivezivezena. Raha misy tranga mampiahiahy na fahaverezan’olona, dia ampandreneso avy hatrany ny pitandro ny filaminana akaiky indrindra.

MAHAJANGA : ZAZALAHY KELY ROA VOALAZA FA VERY, HITA ARY TAFAVERIN’NY POLISIMPIRENENA EO ANIVON’NY FIANAKAVIANY.

Vous pourrez aussi aimer