👮‍♂️ Ny 28 Septambra 2026, hetsika roa samihafa nataon’ny Polisy tany Toamasina sy Mahanoro no nahatrarana olona miisa telo izay mpamatsy sy mpivarotra rongony.
🔎 Tany Toamasina, tokony ho tamin’ny 05 ora maraina, taorian’ny fahazoana angom-baovao nandritra ny famotorana raharaha teo aloha, dia nidina nanamarina izany tao amin’ny faritra Dépôt 4ème ny Polisimpirenena ka olona roa no tratra tao an-tranony, ary nahitàna fonosana rongony miisa 25.
🚔 Tany Mahanoro kosa, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, nanao fisavàna tao amin’ny Fokontany Miakara, Kaominina Mahanoro ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria Mahanoro ka olona iray no voasambotra, ary nahatrarana fatotra rongony lehibe miisa 09 sy fonosana miisa 29 izay efa vonona ho amidy.
⚖️ Efa samy nentina eny amin’ny biraon’ny Polisy avokoa ireo olona voasambotra sy ireo rongony tratra, ary mbola anaovana fanadihadiana sy famotorana.
âś… Ankasitrahana hatrany ireo olona tsara sitra-po izay manome loharanom-baovao ho an’ny Polisimpirenena hahafahana mametraka fandriam-pahalemana maharitra.

MPIVAROTRA RONGONY MIISA TELO VOASAMBOTRA TAO TOAMASINA SY MAHANORO.

Vous pourrez aussi aimer