– Ady amin’ny heloka bevava.
– Lehilahy mpitondra tuc tuc iray no maty voatsatoka lefona teo amin’ny tendany ny 24 Septambra 2026 tao amin’ny Fokontany Fiadanana, Kaominina Andranomanelatra.
– Taorian’ny fanadihadiana sy ny vaovao azo avy amin’ny olona tsara sitrapo, dia fantatra ny lehilahy iray izay tompon’antoka tamin’ity famonoana ity.
-Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Polisy sy ny fokonolona tao Amparihimena, dia voasambotra ny 27 Septambra 2026 ilay voarohirohy, ary niaiky ny heloka vitany nandritra ny famotorana azy.
– Efa natolotra ny Fampanoavana izy sy ny vadiny niray tsikombakomba taminy, ka samy nidoboka am-ponja avokoa.
VAKINANKARATRA – ANDRANOMANELATRA : OLONA ROA VOASAMBOTRY POLISIMPIRENENA NOHO NY RAHARAHA VONO OLONA.
