👮‍♂️ Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny heloka bevava
🔃 Raha tsiahivina dia nisy ny raharaha halatra fiara Taxi narahana vono olona, izay nitranga teny Alasora, ny 06 Desambra 2025 lasa teo.
📌 Folo andro taorian’ny nitrangan’ny heloka bevava izany dia voasambotry ny Polisy ny iray tamin’ireo voarohirohy, ka nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana ireo olona hafa voalaza fa nandray anjara tamin’ny famonoana ilay mpamily Taxi sy ny fanafenana ny razana tao anaty lavapiringa .
🔎 Taorian’ny fanadihadiana naharitra volana maro nitadiavana ireo olon-dratsy dia voasambotra tao Zafimbazaha ireo voarohirohy hafa, ka nahitàna ihany koa ireo nandray anjara tamin’ny fanafenana ny razana sy ny fivarotana ilay fiara.
✅ Nandritra ny fakàna am-bavany dia samy niaiky fa nandray anjara tamin’ity raharaha ity ireo voasambotra.

ALASORA : VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA IREO OLONA MIISA 06 TOMPON’ANTOKA TAMIN’NY RAHARAHA HALATRA FIARA TAXI NARAHANA VONO OLONA TAMIN’NY VOLANA DESAMBRA 2025

Vous pourrez aussi aimer