🛡️ Ady amin’ny fandikan-dalà na sy ireo halatra isan-karazany
đźš” BEHORIRIKA – SOARANO – TSARALALANA : Nanao hetsika manokana tamin’ny fanamiana sivily teny Behoririka, Soarano ary TsaralalĂ na ny Polisy avy ao amin’ny UIR Kaomisaria Foibe TsaralalĂ na, ny marainan’ny Alakamisy 01 Oktobra 2026, ka lehilahy miisa telo (03) mpanendaka sy mpanao sinto-mahery, izay voalaza fa efa nigadra ary vao nivoaka ny fonja, no voasambotra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny.
🚨 ANOSIBE ANDREFANA : Nahazo antso momba ny lehilahy ny Polisimpirenena fa misy lehilahy mpifoka rongony mamono vady ary manakorontana ny fiaraha-monina raha ny fitarainana. Ny 01 Oktobra 2026 no nosamborina teny Anosibe ity lehilahy ity ary mbola nahatrarana fonosana rongony teny aminy.
👮‍♂️ LALAMBY COLAS : Mpangarom-paosy miaraka maromaro nanao ny asa ratsiny teny amin’ny faritry ny Lalamby COLAS Anosibe, ny 03 Oktobra 2026. Lasibatra tamin’izany ireo mpianatra sy vehivavy mandalo. Voasambotra ny roa tamin’izy ireo, raha nisy kosa tafaporitsaka ary efa karohina.
✅ Tamin’ny fanadihadiana natao dia fantatra fa efa mpamerin-keloka izy ireo.
⚖️ Hatolotra ny fampanoavana izy ireto rehefa vita ny famotorana savaranonando. Mitohy kosa ny fitadiavana ireo namany, ary mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena manoloana ny tsy fandriam-pahalemana eny anivon’ny fiarahamonina.
ANTANANARIVO RENIVOHITRA : MPANAO SINTO-MAHERY SY FANENDAHANA ARY MPIFOKA RONGONY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
