👮‍♂️ Olona miisa 06 no voasambotry ny Polisimpirenena noho ny fandikan-dalàna samihafa samihafa tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Ihorombe nandritra ny herinandro.
🚨 Miisa telo voasambotra taorian’ny fanafihana mitam-piadiana tao Antanambao, izay nahavery vola 16 500 000 Ariary. Voatazona am-ponja avokoa izy ireo rehefa natolotra ny Fampanoavana.
📌 Lehilahy miisa roa voasambotra noho ny halatra vilany tao Tanakaompania ary voatazona am-ponja rehefa natolotra fitsarana ny 5 Oktobra 2026.
📣 Lehilahy iray voasambotra noho ny fanendahana, ka voatazona am-ponja rehefa natolotra fitsarana ny 5 Oktobra 2026.
✅ Moto JOG 90cc very tao Morafeno kosa no hita tao Ambavakidona ary naverina tamin’ny tompony taorian’ny fanamarinana (asio daty) .
🎯 Ireo hetsika ireo dia maneho ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy sy ny fiarovana ny vahoaka, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Fokonolona sy ny olom-pirenena tsara sitrapo, ho fanamafisana hatrany ny filaminana.

IHOSY : OLONA MIISA 06 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer