ADY AMIN’NY HELOKA ANABAKA (CYBERCRIMINALITÉ) : NISITRAKA FIOFANANA MOMBA NY FANADIHADIANA MIKASIKA IZANY NY POLISIMPIRENENA.

📅 Tontosa ny Talata 09 Jona 2026, tetsy amin’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fiofanana Mitohy (DRFC) Antanimora, ny fanokafana ny fiofanana mahakasika ny Fanadihadiana ny heloka anabaka (cybercriminalité), fiaraha-miasa eo amin’ny Polisimpirenena sy ny Destiny Rescue International (DRI)

FIAROVANA NY ANKIZY SY NY ZONY: NATAO NY ATRIKASA FANAMAFISANA NY TOROLÀLANA EO ANIVON’NY LAHARANA MAITSO 147

🪧Notanterahina tao amin’ny COMINOR Antohamandinika ny 08 Jona 2026 ny atrikasa fanamafisana ny Torolàlana azo ampiharina eo anivon’ny Laharana Maitso 147, izay mikendry ny hanatsara ny fandraisana an-tanana ireo tranga herisetra mihatra amin’ny ankizy. 🔷Nandray anjara tamin’izany ny Ministeran’ny Filaminambahoaka,

AMBOHITRIMANJAKA : LEHILAHY IRAY TRATRAN’NY POLISY AMBODIOMBY NANGALATRA VATA MPITAHIRY HERINARATRA AMIN’IREO JIRO MPANAZAVA NY LALAM-BAOVAO

👉 Lehilahy iray 24 taona no tratra ambodiomby teo am-pangalarana ny vata mpitahiry herinaratra izay mampandeha ny jiro manazava ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka, ny harivan’ny Alahady 07 Jona 2026. 🔋⚡Teo am-pisokirana ny toerana misy ireo vata mpitahiry herinaratra izy no tsikaritr’ireo

TOAMASINA : LEHILAHY IRAY NAHATRATRARANA RONGONY MILANJA 2 KILAO, TRA-TEHAKA TAMIN’NY HETSIKA NATAON’NY POLISY

⚖️ Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. đź‘® Tao anatin’ny hetsika fanamafisana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina no nahafahan’ny Polisimpirenena tao amin’ny SRPJ Atsinanana nisambotra ity lehilahy iray ity ka nahatratra rongony miisa 13 fehy, sahabo ho 2 kilao, ny zoma 06

MANJAKANDRIANA : OLONA ROA NIDOBOKA AM-PONJA NOHO NY HOSOKA SY FAMPIASANA HOSOKA ARY FISANDOHANA ANDRAIKITRA, NIAMPY FANAOVANA KOLIKOLY

âś… Fampanarahan-dalĂ na 📌 Nosamborin’ny Polisimpirenena tao Manjakandriana ny lehilahy iray mpamily fiara sy olona iray noho ny fahatratarana ambodiomby azy ireo amin’ny fanaovana hosoka, fampiasana hosoka, fitondrĂ na vokatra avy amin’ny fitrandrahana ala tsy nahazoana alalana, faniratsirana Polisy am-perin’asa ary fisandohana

SEKOLIM-PIRENENA AMBONY HO AN’NY POLISY : NANATANTERAKA FITSIDIHANA HAINO AMAN-JERY IREO MPIANATRA HO COMMISSAIRE DE POLICE SY OFFICIER DE POLICE AVY AMIN’NY ANDIANY “MIAHI”

👮‍♂️ Ho fampitomboana ny fahalalĂ na momba ny tontolon’ny serasera sy ny haino aman-jery izay efa tsy azo ihodivirana intsony ankehitriny dia nanatontosa fitsidihana ny haino aman-jery maromaro ireo mpianatra ho Commissaire de Police sy Officier de Police andiany « MIAHI », ny

BEROROHA – 03 JONA 2026 NITSIDIKA SY NANKAHERY NY FIANAKAVIAN’ILAY ZAZA VARIRA NALAIN’NY JIOLAHY AN-KERINY NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA MIARAKA AMIN’IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA. HOHAMAFISINA IREO FEPETRA HISIAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA MAHARITRA

🤝Tonga nitsidika sy nampahery ireo fianakavian’ilay zaza varira nalain’ny jiolahy an-keriny ary efa tafaverina soa aman-tsara eo amin’ny fianakaviany, tany Beroroha ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta sady namita iraky ny fitondram-panjakĂ na ; isan’izany ny Minisitry ny Filaminambahoaka ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral

MANATANTERAKA ASA FANADIOVANA SY FANDAMINANA NY FIFAMOIVOIZANA NY POLISIMPIRENENA TAMIN’NY LALANA ANOSY – ANOSIBE SY ANOSIZATO ATSINANANA

👉 Polisimpirenena manakaiky vahoaka. ‎📅 Nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo, nametraka lamina ny Polisimpirenena amin’ny fanadiovana ary fandaminana ny fifamoivoizana amin’ny lalana Anosy, Anosibe ary Anosizato Antsinanina izay efa mampitaraina ny mpivezivezy amin’iny lalana iny ihany koa ny fitohanana lavareny