BEMASOANDRO ITAOSY : TONTOSA NY VALANDRESAKA MOMBA NY FISOROHANA NY HERISETRA SY NY FIAROVANA NY ANKIZY, NIARAHANA TAMIN’NY BFP SY NY FIKAMBANANA V.I.N.A

🛡️ Ady amin’ny herisetra sy fiarovana ny ankizy 📍 Notanterahina ny 14 Oktobra 2026 tao amin’ny Kaominina Bemasoandro Itaosy ny valandresaka momba ireo karazana herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy sy ny fiarovana ny ankizy, niarahana tamin’ny BFP Tsaralalàna sy

FIOFANANA MITOHY EO ANIVON’NY POLISIMPIRENENA : FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIOFANANA MOMBA NY FANADIHADIANA ARA-TEKNIKA SY NY POROFO NOMERIKA.

– Ady amin’ny heloka bevava anabaka. – Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 12 Oktobra 2026 ny fiofanana ho fampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo mpikaroka fandikan-dalĂ na momba ny heloka bevava anabaka, izay notanterahina tao amin’ny Fitaleavana misahana ny Fiofanana mitohy (DRFC) Antanimora, ary

TANJOMBATO : LEHILAHY MIISA ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY HALATRA SY FITAZONANA ZAVA-MAHADOMELINA.

🛡️ Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. 👮‍♂️ Lehilahy roa no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Atsimondrano ny sabotsy 10 Oktobra 2026. 👉 Ny voalohany Lehilahy iray no tra-tehaka nidoroka zava-mahadomelina ary nanohitra mafy izy nandritra ny fisamborana azy.

FISAFOANA ALINA : OLONA ENINA NO VOASAKAN’NY POLISY TSY NITONDRA KARAPANONDROM-PIRENENA ARY NANAOVANA FANADIHADIANA FOHY HAHAFANTARANA NY MOMBA AZY, OLONA IRAY KOSA MAMO TEO AM-PITONDRANA KODIARAN-DROA ARY TSY NAVELA HIHETSIKA

🛡️ Ady amin’ny asan-jiolahy sy fiarovana ny sokajin’olona marefo 👮‍♂️ Nandritra ny fisafoana an-tongotra manodidina an’Andavamamba – Ambilanibe- 67HA nataon’ireo Polisy avy ao amin’ny CUI ny alin’ny 10 oktobra 2026 no nahazoana izao vokatra izao : 📌 olona miisa 06

TANJOMBATO : MPIANTSENA TAO AMIN’NY JUMBO SCORE SAIKA NISY NANENDAKA, VOASOROKA NOHO NY FIROTSAHANA AN-TSEHATRA NATAON’NY POLISIMPIRENENA

👉 Ady amin’ny asan-jiolahy 👮‍♂️ Olona roa avy niantsena tao amin’ny Jumbo score Tanjombato no nisy nikasa hanendaka teo amin’ny fivoahan’ity tranombarotra ity ny Sabotsy 10 Oktobra 2026, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. 🎯 Efa nifampisintona ny kitapo nisy

ANTANANARIVO : HETSIKA « TASK FORCE MAHOMBY », FANAMAFISANA NY FANDRIAM-PAHALEMANA ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA

👉 Ady amin’ny asan-jiolahy sy ny asa fanendahana, fampiharana ny Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka 👮‍♂️ Nanantanteraka fisafoana rodobe tamin’ny alalan’ny fiara sy an-tongotra manerana an’ Antananarivo Renivohitra ireo Polisimpirenena ao amin’ny Kaomisaria Foibe sy ireo Kaomisaria miisa valo eto an-drenivohitra