FIARAHAMIASA EO AMIN’NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA SY NY REPOBLIKA ENTIM-BAHOAKAN’I SINA : POLISIMPIRENENA MIISA 14 NAHAZO FAMPIOFANANA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY ADY AMIN’NY FISOLOKIANA ANABAKA ANY CHINE

✈️ Nanainga ny Sabotsy 13 Jona 2026 ireo Polisimpirenena miisa 14 avy amin’ireo sampandraharaha samihafa eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, hiatrika fiofanana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny fisolokiana an-tserasera sy ny heloka anabaka any amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Chine, fiofanana izay hatao

POLISIMPIRENENA MANAKAIKY NY VAHOAKA : NOTOKANANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY POSTE DE POLICE AVANCÉ TALATA VOLONONDRY ARY EFA MIASA MANOMBOKA IZAO

👮 Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka. 🏛️ Notanterahina ny Zoma 12 Jona 2026 ny lanonam-pitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Poste de Police Avancé Talata Volonondry, fotodrafitrasa vaovao natao hanamafisana ny fandriam-pahalemana sy hanatsarana hatrany ny tolotra omen’ny Polisim-pirenena ho an’ny vahoaka

FILAZANA FIKAROHANA:ANDRIANIAINA Fulgence

‎👉 Ity olona ity dia manan-draharaha eny anivon’ny Polisimpirenena; koa hiangaviana izay mahafantatra azy mba hanatona ny Polisy akaiky azy na hanatona ny Kaomisaria ny Polisy ao Nosy-be Hell-Ville na hiantso ny laharana : ‎📱034 05 998 63 ‎ ‎✅️

MANJAKANDRIANA : OLONA ROA NIDOBOKA AM-PONJA NOHO NY HOSOKA SY FAMPIASANA HOSOKA ARY FISANDOHANA ANDRAIKITRA, NIAMPY FANAOVANA KOLIKOLY

✅ Fampanarahan-dalàna 📌 Nosamborin’ny Polisimpirenena tao Manjakandriana ny lehilahy iray mpamily fiara sy olona iray noho ny fahatratarana ambodiomby azy ireo amin’ny fanaovana hosoka, fampiasana hosoka, fitondràna vokatra avy amin’ny fitrandrahana ala tsy nahazoana alalana, faniratsirana Polisy am-perin’asa ary fisandohana