FIKAROHANA FANDIKAN-DALANA AMIN’NY RAHARAHA ARA-BOLA MIFANDRAIKA AMIN’NY HELOKA BEVAVA SY AMIN’NY TONTOLO IAINANA : NISITRAKA FAMPIOFANANA IREO MPAMPIOFANA AVY AMIN’NY POLISIMPIRENENA

đŸ‘źâ™€ïž Notanterahina tao amin’ny Ivontoeram-pampiofanana an’ny Ladoany malagasy tetsy TsaralalĂ na, nanomboka ny 15 Jona ka hatramin’ny 17 Jona 2026 ny atrikasa fampiofanana ireo mpampiofana mahakasika ny fikarohana fandikan-dalĂ na amin’ny raharaha ara-bola mifandraika amin’ny heloka bevava amin’ny tontolo iainana izay nandraisan’ny

FILAZANA FIKAROHANA: RANDRIAMANANTENA Gildas

👉 Ity olona hita amin’ny sary ity dia manan-draharaha eny anivon’ny Polisimpirenena ao amin’ny SERVICE RÉGIONAL DE LA POLICE JUDICIAIRE (SRPJ )SAMBAVA . Koa hiangaviana izay mahafantatra azy na mahalala ny toerana misy azy mba hanatona ny biraon’ny Polisy akaiky

CEPE 2026 : MANOHANA SY MIRARY SOA HO AN’IREO MPANALA FANADINANA NY EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA

đŸ–ŠïžTontosaina androany 16 Jona 2026 ny Fanadinam-panjakana voalohany ho an’ny mpianatra malagasy dia ny CEPE izany. ✅ Ankoatran’ny asa fiarovana ny fandriam-pahalemana amin’ireo ivontoeram-panadinana isanisany, ny fanampiana ireo raiamandreny sy mpianatra amin’ny fandraisana taxibe, ny fametrahana Polisy eny an-dalana rehetra

FILAZANA FIKAROHANA: RASOANDALANA Marie Fideline

👉 Ity olona hita amin’ny sary ity dia manan-draharaha eny anivon’ny Polisimpirenena ao amin’ny SCAR ( Services Central des Affaires RĂ©serve) Anosy. Koa hiangaviana izay mahafantatra azy na mahalala ny toerana misy azy mba hanatona ny biraon’ny Polisy akaiky indrindra.

ANOSIBE : MPANENDAKA ROA LAHY TRATRAN’NY POLISY AMBODIOMBY

🚹 Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-jiolahy. ‎👉Lehilahy roa no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany Fahadimy Mahamasina(CSP5) ny Alahady 14 Jona 2026 tokony ho tamin’ny 06 ora maraina, teo am-panendahana vehivavy iray hamonjy tsena teny Anosibe.

FIARAHAMIASA EO AMIN’NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA SY NY REPOBLIKA ENTIM-BAHOAKAN’I SINA : POLISIMPIRENENA MIISA 14 NAHAZO FAMPIOFANANA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY ADY AMIN’NY FISOLOKIANA ANABAKA ANY CHINE

✈ Nanainga ny Sabotsy 13 Jona 2026 ireo Polisimpirenena miisa 14 avy amin’ireo sampandraharaha samihafa eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, hiatrika fiofanana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny fisolokiana an-tserasera sy ny heloka anabaka any amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Chine, fiofanana izay hatao

POLISIMPIRENENA MANAKAIKY NY VAHOAKA : NOTOKANANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY POSTE DE POLICE AVANCÉ TALATA VOLONONDRY ARY EFA MIASA MANOMBOKA IZAO

👼 Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka. đŸ›ïž Notanterahina ny Zoma 12 Jona 2026 ny lanonam-pitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Poste de Police AvancĂ© Talata Volonondry, fotodrafitrasa vaovao natao hanamafisana ny fandriam-pahalemana sy hanatsarana hatrany ny tolotra omen’ny Polisim-pirenena ho an’ny vahoaka