FAHAVEREZANA OLONA : MANARA-MASO TSY TAPAKA NY FEPETRA SY NY TOROMARIKA AO AMIN’NY « CENTRE OPÉRATIONNEL ANTI-ENLÈVEMENT » IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA

đŸ›ïžđŸ“± Nitsidika ny Centre OpĂ©rationnel Anti-EnlĂšvement eny amin’ny Kaomisaria Foibe TsaralalĂ na ny harivan’ny Alatsinainy 27 Jolay 2026 ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely ; ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral de Police ERICK MICHEL ; ary

1927–2026 — FANKALAZANA NY FAHA-99 TAONAN’NY FANANGANANA NY TAFIKA FANAFAHANA NY VAHOAKA SINOA SY NY FAHA-90 TAONAN’NY FAHOMBIAZAN’NY TAFIKA MENA TAMIN’NY DIABE LAVITRA

đŸ”· Notanterahina ny tolakandron’ny Sabotsy 25 Jolay 2026 ny lanonana fankalazana ny faha-99 taonan’ny fananganana ny Tafika Fanafahana ny Vahoaka Sinoa sy ny faha-90 taonan’ny fahombiazan’ny Tafika Mena nandritra ny Diabe Lavitra. © Ny Masoivohon ’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina eto

AZO ANTSOINA MAIMAIM-POANA NY LAHARANA MAITSO 147 RAHA MISY TRANGA MAMPIAHIAHY MOMBA NY FAHAVEREZANA OLONA ENY ANIVON’NY FIARAHAMONINA ; OMENA VALISOA IREO IZAY MANOME VAOVAO MARIM-POTOTRA KA HAHAFAHAN’NY MPITANDRO NY FILAMINANA MISAMBOTRA NY MPANGALATRA OLONA

đŸ€ Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny solon-tenan’ny Governemanta nahitana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Minisitry ny FitsarĂ na, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny MInisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena ary solon-tena avy amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ny harivan’ny Alarobia 22

MANANARA AVARATRA : ZAZAVAVY 15 TAONA TSY HITA HATRAMIN’NY SABOTSY, TAFAVERINA TEO AMIN’NY FIANAKAVIANY TAORIAN’NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA NATAON’NY POLISIMPIRENENA.

đŸ”č Zazavavy 15 taona mipetraka ao Ampitarihana, Fokontany Antanakoro, Kaominina Ambonivohitra Mananara Avaratra izay tsy hita nanomboka ny Sabotsy lasa teo tao Mananara Avaratra no hita soa aman-tsara tao amin’ny fokontany Analanampotsy ny 21 Jolay 2026, tokony ho tamin’ny 4

FANADINANA BACCALAUREAT : MIANTOKA NY FILAMINANA ENY AMIN’IREO IVON-TOERAM- PANADINANA AMIN’NY FARITRA IANDRAIKETANY NY POLISIMPIRENENA

🙌 Nitety ireo ivon-toeram-panadinana mandray ny Bakalorea teto Antananarivo sy ny manodidina andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral de Police ERICK MICHEL. Natomboka teny amin’ny CEG Alasora izany, teny NanisĂ na, LycĂ©e Faravohitra ary tao amin’ny LMA Ampefiloha. 🟱 Nanome

1948–2026 : LANONAM-PAHATSIAROVANA NY FAHA-78 TAONA NITIFIRANA IREO MAHERY FON’NY FIRENENA NITAKY NY FAHALEOVANTENAN’I MADAGASIKARA

đŸ‡Č🇬 Tontosa ny Alahady 19 Jolay 2026, tetsy Antsaham-pitifirana Ankatso, ny lanonam-pahatsiarovana ny faha-78 taona nanamarihana ny nitifirana ireo mahery fo Malagasy izay nitolona sy nanolotra ny ainy ho an’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. đŸ•Żïž Nisy ny fametrahana afom-pahatsiarovana sy fehezam-boninkazo teo