FARITRA VAKINANKARATRA – ANTSIRABE SY AMBATOLAMPY : JIOLAHY DIMY MALAZA RATSY AMIN’NY VAKY TRANO SY FANENDAHANA NO TRATRAN’NY POLISY

❌ Ady amin’ny asan-jiolahy 👼 Mitohy tsy mijanona ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka (DRSP) Vakinankaratra amin’ny famongorana ireo asa ratsy isan-karazany. Hetsika nifanesy mantsy no nahatrarana lehilahy dimy (05) malaza ratsy amin’ny vaky trano sy fanendahana.

FITALEVAM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA DIANA – SOFIA – SAVA : NAHAVITA FIOFANANA MOMBA NY TEKNIKA FIDIRANA AN-TSEHATRA MATIHANINA IREO POLISIMPIRENENA.

đŸ‘źâ€ïž Tontosa tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny filaminambahoaka DIANA ao Antsiranana, ny 13 Mey 2026, ny lanonam-pamaranana ny fiofanana momba ny « Techniques d’Intervention Professionnelle  » (TIP) ho an’ireo Polisimpirenena avy ao amin’ny Faritra DIANA sy SOFIA. Mialohan’izao dia nisitraka fampiofanana momba

HETSIKA FANKALAZANA NY FETIN-TSEKOLY TAO AMIN’NY INSTITUTION SAINTE FAMILLE MAHAMASINA : NANDRAY ANJARA NY POLISIMPIRENENA TAMIN’NY ALALAN’NY FIFAMPIZARANA MOMBA NY ASAN’NY POLISY TAMIN’IREO MPIANATRA.

– Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka – Tontosa ny 12 May 2026 tao amin’ny Institution Sainte Famille Mahamasina ny fandraisana anjaran’ny Polisimpirenena amin’ny fetin-tsekoly, izay nisian’ny hetsika maro samihafa mandritra ny herinandro. – Araka izany, nitondra ny anjarany teo amin’ny fampahafantarana

SAMIFIN – POLISIMPIRENENA – FIZARANA TRAIKEFA : MPIANATRA HO COMMISSAIRE DE POLICE SY OFFICIER DE POLICE AVY AMIN’NY ANDIANY “MIAHI” NISITRAKA FAMPIOFANANA MOMBA NY ADY AMIN’NY FAMOTSIAM-BOLA

– Ho fanamafisana ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ireo heloka ara-bola samihafa, dia nanomboka ny 11 Mey ka haharitra hatramin’ny 13 Mey 2026 eny amin’ny biraon’ny SAMIFIN Ambohijanaka ny atrikasa sy fizarĂ na traikefa ho an’ireo mpianatra ho Commissaire de Police

ONG BIENVENUE, MISEHATRA AMIN’NY FIAROVANA NY ANKIZY : NANATANTERAKA FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA AN’ANDRIAMATOA MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA

đŸ‘€ Tonga nitsidika ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral de Police ERICK MICHEL, tao amin’ny toeram-piasany ao Anosy, ny solontenan’ny ONG BIENVENUE, ny 07 Mai 2026. Nitarika izany Andriamatoa Marc BLANCKAERT, Filohan’ny ONG BIENVENUE, niaraka tamin-dRamatoa Marie CĂ©cile ALLART